Handray ny sekretera jeneralin’ny OIF (Organisation Internationale de la Francophonie) Michaëlle Jean fanintelony i Madagasikara ny 1 hatramin’ny 4 novambra izao.
Ny fanjakana Malagasy izay efa mibanjina sahady ny fihaonana tampon’i Frankofonia ny 22 hatramin’ny 27 volana novambra 2016 taorian’ny Comesa farany teo. Anisan’izany ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato afaka handray ireo fiaramanidina vaventy 40 sy fiaramanidina manokana miisa 20 miaraka amin’ny efitra fitsenana filoham-panjakana 3 indray mifanotona. Firenena 44 moa hatreto no efa nanamafy ny fiaviany amin’io fihaonana frankofonina andiany faha-16 eto Antananarivo io, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny delegasionina jeneraly mpikarakara. Hotely fampiantranoana 80 miaraka amin’ny efitra fandraisam-bahiny 3.200 mahery manodidina ny 15 kilometatra ny renivohitra no efa voafandrika amin’izao iray volana mialohan’ny fotoana nifanarahana izao. Ampahatsiahivina fa filoham-panjakana 38 no nanome voninahitra ny fihaonana tany Soisa ny taona 2010. 26 no tonga tao Congo demokratika ny taona 2012 ary 22 kosa no niatrika ny fivoriana tao Dakar ny taona 2014.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.