Naneho hevitra mikasika ny fahitany ny raharaham-pirenena ankehitriny, indrindra ny mety ho tohin’ny tantaram-pirenena taorian’ny fankalazana ny faha-57
taonan’ny fahaleovantena tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly, ny loholona Pierrot Rajaonarivelo. Fotoana ireny, hoy ny tenany, tokony hanaovana tombana ny tantaram-pirenena araka ny kabary nataon’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, hoe nisy mpitondra 13 teo no efa nandalo ary saika tsy nahatody hatramin’ny farany avokoa ny fotoam-piasany. Midika izany, hoy izy fa ny fitondrana rava antenantenany dia tsy maintsy niteraka korontana.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.