Politique

« Force de Changement » Miala ny filoha, hatsangana ny tetezamita


  • Zoma 02 Jona 2017

Taorian’ny fivorian-drizareo avy eo anivon’ilay hetsika politika “Force de changement” ny talata teo namolavolana sata ifehezana ireo mpitondra mifandimby hanoloana ny fitsarana avo (HCJ) izay tsy

 

 misy sahy manangana hatramin’izao dia niverina tetsy amin’ny foiben’ny antoko AKFM etsy Andravoahangy indray ireto hery politika ireto omaly nampahafantatra ireo birao mandrafitra ity hetsika ity. Misaotra ny fitondram-panjakana, hoy izy, ireo nilaza ho tsy mandraharaha ny hetsika ataonay fa dia ho hitanareo eo ny tohiny. Fivarotana hajia Franc maçon ve no hitanareo amin’io filankevitry ny governemanta ataonareo isan’andro io? Inona no mba zavatra mivaingana nataonareo teto, hoy ity hery politika ity mantsy ny fitondram-panjakana. Fotoana izao hamondronana hery ry vahoaka ka aoka isika isam-paritra hanantona ireo lehiben’ny delegasionina efa napetraka isam-paritra na amoron’Imania io na Diana na Moramanga sy izay faritra misy antsika ijerena ny tokony atao.Tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony ny eto amin’ny firenena koa tsara raha mametra-pialana ny filohampirenena sy ny praiminisitra, hoy ry zareo avy ao amin’ny “Force de Changement” ary heverina ny fananganana fitondrana tetezamita ka io no hikarakara ny fifidianana manaraka.Handefa ny taratasy momba an’izany any amin’ny FFKM sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena izy ireo.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT