Politique

Foloalindahy Miala any indray ny fikomiana ?


  • Alarobia 15 Jona 2011

Asa na fifandrifian-javatra fa nifanojo indrindra tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny SADC tany Sandton Afrika Atsimo mba handinihana ny famahana ny krizy eto Madagasikara sy atsy Zimbabwe dia niparitaka teto an-drenivohitra indray ny resaka fanonganam-panjakana sy fanafihana toby miaramila.

Nandeha ny feo fa misy vondrona manamboninahitra mikotrika zavatra hafahafa ka mety ho tanjona amin’izany ny fanafihana toby miaramila eto Antananarivo sy ny fakana fitondrana mihitsy. Raha io resaka mandeha io ihany dia toa hoe leon’ny sangodim-panina ataon’ny mpanao politika tsy mety mahavaha ny krizy ireto vondrona miaramila ireto ka haka ny fitondrana. Raha izany rehetra izany no dinihana dia ny fametrahana ny fitondrana miaramila izany no tena tanjon’ity hetsika ity. Tsy vao izao moa no nahenoana ny feo sy vaovao tahaka izany fa efa hatramin’ny 2006, ary niaraha-nahita ireo trangana fikomiana niseho teny Ivato, nitohy ny 2009 teny amin’ny RAS Ampahibe, ny BANI Ivato ary ny FIGN Fort Duchesne.

Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo manamboninahitra tsy hita popoka na nisy namono, na maty tampoka, na namono tena, saingy toa nangina avokoa ireny raharaha rehetra ireny noho ny antony tsy fantatra. Any anaty toby miaramila any koa dia mbola maro ny hasosorana sy tsy fifankahazoana ka mety manome vahana ny fifandrafiana izany. Tsy takona afenina ihany koa, ary araka ny nambarana manamboninahitra am-perinasa iray dia misy ny mpanao politika mifandray sy mivory matetika miaraka amin’ny miaramila sy ny zandary, ary na dia tsy miteny ihany koa aza izy ireo dia mbola misy ireo ao anatin’ny foloalindahy no tsy mankasitraka izao fitondran’i Andry Rajoelina izao ary manantena fa hiverina eto ny Amiraly Ratsiraka sy Atoa Ravalomanana, izay samy mbola manana ny olony any anatin’ny foloalindahy Malagasy any. Raha fehezina, maro ny zavatra mbola mila fandaminana eo anivon’ny foloalindahy satria mbola mahazo vahana ao ny ady mangatsika sy ny fifampiandaniana  ary ny fahasosorana izay amety hitarika zavatra hafa.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT