Politique

Foloalindahy Malagasy : Ho avy koa ny fisamborana


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Tsy niova hatramin’izao ny fomba fijerin’ny HAT fa izay manakantsakana ny lalana na tsy mitovy hevitra sy fomba fijery aminy dia samborina sy ampidirina am-ponja avy hatrany.

Maro ireo olona karohiny, toy ny mpitari-tolona sasantsasany eo anivon’ireo ankolafy telo, misy ihany koa manamboninahitra vitsivitsy izay ambarany fa manohintohina ny firaisankinan’ny foloalindahy, ary misy aza no lazaina fa mikotrika fanonganam-panjakana mihitsy ka tsy maintsy samborina. Nandeha be ny resaka tamin’ny faran’ny herinandro teo fa misy manamboninahitra iray amina toby miaramila eny Ivato eny, izay efa diso fantatry ny rehetra eritreretina hosamborina, ary efa nisy mihitsy, araka ny tsiliantsofina re ny fikarohana tetika hanatanterahana izany fisamborana izany. Hita tamin’ny lahatsoratra an-gazety avy eo ny karazana fampitandremana avy amin’ity manamboninahitra ity ho an’ireo izay mikasa ny hisambotra azy. Voalaza tao moa fa dia hoe “hahita lehilahy” ireo izay hanatanteraka izany. Manomboka mipoitra indray izany ny karazana disadisa sy tsy fifankahazoana eo anivon’ny foloalindahy; raha efa nilamindamin-dratsy ny teo anivon’ny zandary dia mipoitra indray ny resaka hafahafa momba ny miaramila. Mampatahotra ny olon-tsotra ny tranga tahaka izany, satria olona samy manana basy no mitady hifanenjika sy hifampisambotra.

Ny teny anivon’ny toby misy ity manamboninahitra ity rahateo, araka ny filazany dia tsy hanaiky moramora raha sanatria ka misy ny fisamborana sy fikitikitihana azy ireo. Ka inona izany no mety hitranga raha tena miroso amin’ny fisamborana marina ny mpitondra tetezamita ? Ho raikitra ve ny fifampitifirana eo amin’ny samy miaramila ? Sa mbola azo aravona amin’ny alalan’ny fifampiresahana ihany ity disadisa eo anivon’ny foloalindahy ity ? Efa maro ihany ny fihaonana sy fivoriana natao, na ny ofisialy io na ny miafina, saingy ny fahitana azy dia vao mainka tsy nahasalama ny foloalindahy izany, ary mipoitra tsikelikely isan’andro eny foana ny endrika tsy fifankahazoana na fifanoheran-kevitra. Alaim-panahy ary ny maro hieritreritra fa mety ho marina ihany ve izany ilay filazana fa efa misy ankolafy maromaro ihany koa eo anivon’ny tafika hatramin’ny niandohan’ity krizy ity, ary matetika dia misy foana koa ny mpanao politika mifandray tendro amin’ny manamboninahitra sasany ? Ho hita eo ihany ny tohiny !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

  • KOLONELY PATRICK
  • Zoma 17 Aprily 2026

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Nomena ny TIM ny fitantanana

  • Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Indroa saika hisy hamono

  • FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Hijery ny tohiny
FTT