Mihazakazaka be indray ny raharaham-pirenena tato ho ato.
Eo ihany ny governemanta tsy mety teraka noho ny disadisa politika sy ny kajikajy tsy mety milamina. Fa ny tena mampanahy dia ny fihetsiky ny foloalindahy tato ho ato. Farany teo dia nivory niaraka tamin’ny filohan’ny FAT tany Iavoloha izy ireo. Taoriana kelin’izay dia nandeha ny feo fa misy andiana manamboninahitra ambony izay tarihin’ny jeneraly efa misotro ronono mikasa ny hanao fanonganam-panjakana. Ny avy ao amin’ny ministeran’ny foloalindahy aza dia nanamarina fa misy ny vaovao azon’izy ireo mifanandrify amin’izany ary efa misy koa ny fanadihadiana misokatra.
Anio indray dia fantatra - avy amin’ny loharanom-baovao akaiky ny Tafika ihany - raha tsy misy indray ny fiovan-kevitra, fa hanao fanambarana ny Foloalindahy. Inona no mety ho votoatin’io fanambarana io ary inona no raketiny ? Ny tsikaritra dia misy hatrany ny fanambarana kely toy izao isaky ny misy ny fanapahan-kevitra lehibe horaisina eto amin’ny firenena. Natao haneho hevitra ve ary koa natao hanohana ny politikan’ny sasany ny foloalindahy ? Mihodidina amin’izany hatrany ny fanontaniana mipetraka rehefa misy ny fanambarana hataon’ny foloalindahy…
Gaby
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.