Politique

Fodian’i Dada Daty sisa


  • Alakamisy 03 Janoary 2013

Tsy misy tena mahafantatra ny antony goavana nanosika ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hanao fanambarana, ny 11 desambra 2012, fa tsy ho kandida amin’ny fifidianana hotanterahana amin’ity taona ity izy.

 Ny mazava fotsiny hatreto aloha dia fanapahan-kevitr’olon-kendry iny, ary tena ny tombontsoa ambonin’ny firenena no nojereny. Fantatra koa anefa fa miandrandra mafy ny hody tsy ho ela eto Madagasikara i Dada, ary nanome toky fa hanao izay vitany amin’ny fanarenana ny firenena, amin’izay anjara tandrify azy. Maro no narary fo sy niakatra tosi-dra vantany vao naheno ilay fanambarana tany Dar Es Salaam iny, satria toy ny nirodana tanteraka ny fanantenana rehetra nitolomana nandritra ny efa-taona. Misy koa anefa ny efa somary niomana ihany satria mahafantatra fa tsy maintsy misy ny fandeferana amin’ny politika ; tao koa anefa ireo mihevitra fa mety paikady ihany iny fanambarana iny.

Ny hita koa dia tena nanimba tanteraka ny paikadin’ny ankolafy Rajoelina ny fisintahan’Atoa Ravalomanana tsy ho kandida intsony, satria ny lojika manaraka izao dia tsy kandida koa i Andry Rajoelina. Ity farany anefa efa ho roa taona izao no nanomana ny fampielezan-keviny sy ny fiakarany eo amin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny fifidianana. Na ny lalàmpanorenana aza efa namboarina hahafahany milatsaka hofidiana. Mbola olony avokoa ireo mpitantana eny anivon’ny Faritra.

Ankehitriny anefa dia hita ho miantona avokoa ny zava-drehetra ho an’ny filoha mpanorina ny TGV, dia io izy manao sinema sy fihetsiketsehana etsy sy eroa io sisa. Raha tena lehilahy sy matotra amin’ny fanaovana politika i Andry Rajoelina, hoy ny olona maro dia tsy misalasala manara-dia an’i Marc Ravalomanana, dia ho hita eo indray amin’ny 2018. Iny eo ihany fa ny andrasan’ny maro izao dia ny hoe : rahoviana amin’izay ary ilay daty hahatongavan’i Dada e ? Daty izay, raha ny fandinihana azy dia tsy tokony ho ela intsony no hivoahany. Inoana marimarina kokoa mantsy fa misy ifandraisany ny tsy filatsahan-kofidiany sy ny fiverenany eto Madagasikara, ary ao ambadik’izany ny marimaritra iraisana eo amin’ny SADC sy Lafrantsa. Raha tsorina ny resaka dia takalon’ny fodiany eto ny tsy maha kandida azy, ary efa manaiky izany ny rehetra, afa-tsy….. i Andry Rajoelina sy ireo mbola mahita tombontsoa aminy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT