Mbola nanaporofo indray ny fihaonan’ny filoha frantsay François Hollande sy filohan’i Tanzania sady filoha amperin’asan’ny Troika-SADC, Jakaya Mrisho Kikwete tany Paris fa manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara i Lafrantsa ary mandray anjara amin’ny dinika rehetra hamahana ity krizy ity.
Na dia efa nambara fa mahaleotena nanomboka tamin’ny 1960 aza i Madagasikara dia tsy afa-bela amin’ny Frantsay hatramin’izao 2013 izao. Tsaroana tsara fa tany amin’ny 2008 dia efa nangotraka ny fifandraisan’ny Frantsay tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ka niafara tamin’ny fandroahana ny masoivoho Frantsay niasa teto Madagasikara izany, tsy iza moa io fa Atoa Gildas Le Lidec, izay araka ny resaka tamin’izany fotoana dia tsy nankasitrahan’Atoa Marc Ravalomanana mihitsy ny nahatongavany teto Madagasikara satria nahafantatra zavatra maro momba ity diplaomaty Frantsay ity, sy ny zavatra nataony tany Afrika izy. Vantany vao nirodana ny fitondrana Ravalomanana ny 17 martsa 2009 dia nigadona teny Ivato niaraka tamin-dRamatoa Mialy Rajoelina, ny ampitson’io, ny 18 martsa 2009, ny maosivoho Frantsay vaovao Jean Marc Chataigner, izay tena hita nibaribary be mihitsy ny fiandaniany tamin’i Andry Rajoelina sy ny fankahalany an’i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy.
Tsy mbola hadinonin’ny maro fa saika nifandray vozon’akanjo tamin’i Mamy Rakotoarivelo lehiben’ny delegasion’ny ankolafy Ravalomanana, tao amin’ny hotely Colbert i Jean Marc Chataigner mialohan’ny fanendrena ny praiminisitry ny marimaritra iraisana, ary tena namoaka teny mahery mihitsy. Olana goavana ho an’i Frantsay i Marc Ravalomanana, noho ity farany saropiaro amin’ny tombontsoam-pirenena sy i Madagasikara tanindrazany, ka inoana fa tsy maintsy manana ny hambarany momba ny fodian’ity filoha teo aloha ity eto Madagasikara ny ao Parisy ao. Fantatry ny Frantsay tsara mantsy ny fahaizamanaon’i Marc Ravalomanana sy ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara vitany, ary ny zavatra mbola mety ho vitany ka izay no tena maha mailo azy ireo.
Tsy mahasakana ny fodian-dRavalomanana eto raha i Andry Rajoelina irery sy ireo antokon’olona vitsy an’isa manohana azy, fa matoa tsy mbola mety tanteraka io fodiana io, hatreto, dia misy hery vahiny tena matanjaka mbola mitsivalana amin’izany. Sahiran-tsaina ny SADC satria tsy afaka ny hifandona amin’ny matanjaka noho izy ka mety ho izay no anton’ny fifampiresahana teo amin’ny filoha Frantsay sy ny filoha Tanzaniana izay mitarika ny Troika n’ny Sadc amin’izao fotoana.Mialohan’ny fivorian’ny Sadc manaraka no nitrangan’ny fihaonana, ka moa va tsy efa mazava ny resaka izany fa tsy maintsy henoina aloha ny hevitr’i Lafrantsa izay vao manapa-kevitra ? Maro no mihevitra fa raha efa maivana ara-politika ka tsymisy ilana azy intsony ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia tsy nisy izao fihetsiketsehana maro samihafa izao ; mbola tena matanjaka izy ary maro no matahotra azy na eto an-toerana na any ivelany ka izay no anton’ny fifampiraharahana mba hahitana ny marimaritra iraisana ho an’ny tombotsoan’ny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.