Rehefa vita ny fivorian’ny vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana (CPS) eo anivon’ny Vondrona Afrikanina izay nanamafy ny amin’ny tokony hodian’i Marc Ravalomanana sy ireo sesitany politika rehetra eto an-tanindrazana sy ny tokony hametrahana ny famafan-keloka faobe dia nanao antso avo amin’ny Troika-SADC ireo mpandala ny ara-dalŕna.
“Efa-taona izay no efa nilazana fa mody tsy misy fepetra ny filoha Marc Ravalomanana ka tanteraho amin’izay fa aza avela ho resabe”, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita, Ralaimampisainarinony Manoela. Tonga hatry ny omaly eto moa ny Dr Leonardo Simao handinika izay hampiharana io fehin-kevitry ny CPS io, raha ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas. Ho an’ny mpandala ny ara-dalàna moa, dia tsy hisy fifidianana vanona izany eto raha tsy tonga eto an-toerana ny filoha Marc Ravalomanana.
Ny CPS koa, araka ny fanazavan’i Zafilahy Stanislas ihany, dia nilaza fa sarotra ny inoana ny hisian’izany fifidianana izany amin’izao toe-draharaha izao, satria dia ezahin’ny FAT akorontana, hanitarany ny fotoam-pitondrany eo. Ho an’i Fidisoa dia tsotra ny resaka. Tsy vahaolana ny nilazan’i Andry Rajoelina fa tsy hirotsaka izy fa “ny tena vahaolana dia ny fialany” eo amin’ny fitondrana satria “izy no olana eto amin’ny firenena”. Mila ampiharina ny sazin’ireo mpanongam-panjakana, hoy ihany izy, ravaina izao tetezamita izao avy eo apetraka ny tena tetezamita.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.