Politique

Fjkm Sinodam-paritany Ambatondrazaka Vaovao Diakona sy loholona 1380 nijoro vavolombelon’i Kristy


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Ambohipihaonan’ireo diakona sy loholona ao anatin’ny sinodam-paritany Ambatondrazaka Vaovao tao amin’ny Fjkm Manakambahiny Famonjena, ny sabotsy 15 mey teo.

Izany dia tafiditra amin’ny isan-kerintaonan’ny diakona sy ny loholona ao anatin’ny sinodam-paritany. Nahatratra 1380 mianadahy izy ireo no niara-niombom-bavaka sy niara-paly noho ny taom-baovao. Fiofanana mahakasika ny fanatsarana ny asa fanompoana an’Andriamanitra izay nentin’ny mpitandrina Andrianoavy Faraniaina no nisantarana ny fotoana. Taorian’ny diabe namakivaky ny tanànan’i Manakambahiny Andrefana dia niroso avy hatrany tamin’ny fotoam-pivavahana izay notarihan’ny Filohan’ny sinodam-paritany Ambatondrazaka Vaovao ny mpitandrina Trimozafy Malemiarisoa Salomon. Nitondra ny tenin’Andriamanitra tamin’izany ny filohan’ny foibe FJKM, ny mpitandrina Rasendrahasina Lala. Nambarany tamin’izany fa ny fiakaran’i Jesoa any an-danitra dia midika famonjena izao tontolo izao. Nohamafisiny fa tokony ho sahy hijoro hatrany ny diakona sy ny loholona ho fitaratry ny kristianina iray manontolo. Noraisin-tanana tamin’io fotoana io ireo mpitandrina vaovao hiasa any amin’iny sinodam-paritany Ambatondrazaka Vaovao iny. Fantatra fa nitombo 6 amin’izao fotoana izao ny isan’ny fiangonana ao anatin’ity sinodam-paritany ity.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT