Tsy nahafa-po ny Firaisankinan’ny Zanaky ny faritanin’i Toamasina ny nitantanana ny fikambanana tao anatin’ny 14 taona farany.
Fotoana lava tsy nisiana fifidianana ara-dalàna na fitsipika anatiny mifehy ny fikambanana ary nanjakan’ny tsy fangaraharana, hoy ny KVMMF (Komity Vonjy Maika Mitaky Fifidianana) nijoro omaly teny Andrefan’Ambohijanahary. Lavin’ity farany moa ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo filoham-pikambanana vitsivitsy ao anatin’ilay «comité ad hoc» natao hikarakara fifidianana miaraka amin’ny famolavolana ny sata sy fitsipika anatiny nefa nanome alalana indray ny birao teo aloha hanomana ny fifampiarahabana ny taona vaovao 2017 amin’ny 31 martsa izao. Mitaky dinika eo amin’ny «comité ad hoc» sy ny KVMMF mialohan’ny fikarakaraka fifidianana ao anatin’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika ihany koa ireo mpikambana avy amin’ny distrika 18. Natsangana hivoy ny firaisankina, ny fifankatiavana ary ny filaminana rahateo ny FIZATO fa tsy natao fitaovana politika, hoy ireo solontenan’ny zanaky ny faritanin’i Toamasina avy amin’ireo faritra telo Analanjirofo, Atsinanana ary Alaotra Mangoro izay hanatanteraka fivoriambe ny sabotsy 11 martsa 2017 ao amin’ny Espace Telozoro.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.