Politique

Fizarana seza Tsy mahavaha ny olana


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Tanterahin’ny FAT eny Ivato, nanomboka ny 13 septambra, ilay “fihaonambem-pirenena” izay nomaniny niaraka tamin’ireo mpanohana ny fitondrana, dia ny Raiamandreny Mijoro sy ny antoko politika ary ny mpikambana ao amin’ny fiarahamonina sivily sasany.

Voalaza fa 4.000 ny mpandray anjara nofidiana manokana. Fa ny nanaitra ny maro dia raha hipoka ny efitrano teny Ivato, bangabanga kosa ny toerana nomanina ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay tsy nisy tonga nanatrika ny fotoam-panokafana. Midika avy hatrany izany fa tsy voafitaky ny “isa” ireo mpanara-maso ny raharaham-pirenena. Mbola mampisalasala araka izany io fihaonana io, satria mbola tetika tari-tokana ihany, fa tsy hiombonan’ny rehetra. Eo andanin’izany anefa dia tsapa fa tsy ny fizarana seza amin’ireo mpanao politika no hampiravona ny olana eto Madagasikara. Misy aretina tokony hotsaboina ifotony eto, mba ahafahana mikarakara am-pitoniana ny fifidianana. Ho an’ny olona maro, dia ilaina tantanin’ny mpitondra tsy miangatra sy tsy mitanila ny fifidianana, ary ny fitondrana ankehitriny dia tsy mahafeno izany fepetra izany. Fantatra mantsy fa na ny CENI heverina hanomana fifidianana mangarahara aza dia maro mpanakiana noho ny fomba fanendrena ireo mpikambana sasany tao izay voalaza fa nisy kiantranoantrano. Manampy trotraka ny ahiahy ny fahitana ny fizotry ny fivoriana eny Ivato, izay nanjakan’ny mpanohana an-dRajoelina tanteraka. Manoloana izany rehetra izany dia tsy vitsy ankehitriny no mitodika any amin’ny Pr Raymond Ranjeva, izay heverin’ny maro fa manana ny fahaizana sy ny fahamendrehana hitondra an’i Madagasikara any amin’ny Repoblika vaovao.

Rainisoa, Isotry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT