Politique

Fizarana seza Mifanipaka anatiny ny samy ESCOPOL


  • Alakamisy 02 Septambra 2010

Anisan’ireo mpanao politika nihaona tamin’ny filohan’ny FAT ny talata hariva teo i Hery Rasoamaromaka, mpandrindra ny antoko TGV ho an’ny faritra Analamanga.

Araka ny filazany dia tsy maintsy naka ny hevitr’i Andry Rajoelina izay anisan’ny nanasonia ilay fifanarahana politika teny amin’ny CCI Ivato ny zoma 13 aogositra lasa teo, momba ny fanohizana ny dinika izy ireo. Araka ny filazany ihany dia niantso ireo mpanao politika mba hieritreritra tsara ny amin’ny tokony hampihenana ny isan’ny toerana ao anatin’ireo rafitry ny tetezamita ny filohan’ny FAT, satria mbola ao anatin’ny fitsitsiana tanteraka isika. Anisan’ny voakasik’ity fampihenana ny isan’ny seza ity moa ny eo anivon’ny CST na ny filankevitra ambonin’ny tetezamita, eo ihany koa ny mikasika ireo praiministra lefitra, izay 5 no isa naroson’ny mpanao politika, izany hoe manana praiministra lefitra tsirairay avy ireo faritany 5 teo aloha, ary efa misolotena izay faritany niaviany moa ny praiministra. Araka ny nambaran’i Hery Rasoamaromaka ihany, dia hanamaivana kokoa ny rafitra ary hampandeha haingana ny asa ny fampihenana ny isan’ireo mahazo toerana ao anatin’ny tetezamita. Mila miova sy mahasahy manova isika, hoy izy, ary mila mandeha haingana satria efa tena leon’ny krizy ny olona.

Ny olana kely amin’ity resaka fampihenana ny toerana ity anefa dia mety ho maro ireo mpanao politika, indrindra fa ny avy ao amin’ny Escopol sy ireo rehetra nanasonia ny fifanarahana teny Ivato no tsy hanaiky mora foana izany. Atoa Roland Ratsiraka manokana, ohatra, dia efa hatramin’ny fiandohan’ny fifampidinihan’ny samy Malagasy no nanambara mazava fa tokony homena toerana avokoa ireo mpanao politika nanao sonia iny fifanarahana politika iny. Anisan’ireo mpikamban’ny delegasionin’ny mpanao politika nihaoana tamin’i Andry Rajoerlina teny Ambohitsorohitra moa Rtoa sy Atoa isany Elia Ravelomanantsoa, Rasoamaromaka Hery, Alain Andriamiseza, Roland Ratsiraka ary Reboza Julien.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT