Politique

Fivoriana tsy ara-potoanan’ny Parlemanta Lany andro amin’ny fihetsiketsehana ivelany


  • Talata 09 Aogositra 2011

Mbola nasiana lanonam-panokafana ofisialy indray omaly ny fanombohan’ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ireo parlemanta roa tonta teny Tsimbazaza sy tetsy Anosikely.

 Efa 3 andro izay no lany amin’ny 12 andro voatondron’ny lalana fa hanatanterahana ny fivoriana raha ela indrindra dia mbola miampy ny anio hanaovana ny “conférence des presidents” indray izany mbola arahina fankatoavan’ny fivoriambe dia asa na ady hevitra inona no ho vita tsara amin’izany raha tsy hoe atao tefitefy maika toy ny nahazatra hatrizay angaha dia tsanga-tanana sisa mamarana azy ??? Tena lany andro amin’ny fihetsiketsehana ivelany ireto olom-boatendry ireto ka tsy mahagaga raha be ny fanakianana mahazo azy. Ny governemanta indray etsy an-kilany, izay soloin’ny praminisitra Camille Vita tena ary tonga nanatrika ireo lanonana ireo hatrany, dia tsy misy valaka amin’ireto andrim-panjakana mpiara-miasa amin’ireto satria raha nanontanian’ny mpanao gazety omaly dia tsy nanan-kambara ny amin’ny daty mazava hanaovana ny fifidianana fa hoe anjaran’ny mpanao politika efa novorian-dRajoelina izany.

Dia resaka tsy fantatra izay koa ny valin-teny nomeny raha nanontaniana ny amin’ny fotoana sy toerana hanaovana sonia ilay tondrozotran’ny SADC voahitsy izy fa dia hoe tsy maintsy hatao io sonia io. Mikasika ny tsy fahombiazana amin’ny Lalaon’ny Nosy dia nankahery tena fotsiny ity lehiben’ny governemanta ity nilaza fa : tsy atao mahakivy ny vokatra azo fa misy ihany koa ny laharam-pahamehana amin’ny zavatra atao eto amintsika. Niaiky ihany anefa ny lehilahy fa kivy dia kivy nijery ny vaovao avy any Seychelles nivoaka an-gazety. Dia hoe : “atao ahoana fa izao no vokatry ny zava-misy iainana eto amintsika eo. Efa nanao ezaka lehibe ihany isika fa ireny no vokatra. Be dia be ny antony. Mby amin’ny tenin’ny teny amin’ny Magro hoe : tsy mahay maka tahaka amin’ireny resaka “coach” ireny ka tsy nahomby  ê !

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT