Politique

Fivoriana tsy ara-potoanan’ireo Parlemantera Efa koninkononina ny volavolan-dalŕna mikasika ny «bois de rose»


  • Alakamisy 21 Jolay 2011


 Nolaniana tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny alatsinainy 18 jolay teo fa ny fandinihana ny volavolan-dalàna mikasika ny fifidianana kaominaly sy rejionaly no ho votoatin-draharaha hodinihan’ireo Parlemanta roa tonta amin’ny fivoriambe tsy ara-potoana hatrehan’izy ireo manomboka ny alatsinainy 25 jolay izao. Asa na mety hodinihina ao anatin’ny 12 andro hanatanterahana io fivoriana io na tsia ny amin’ny volavolan-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka sy ny lalàna mifehy ny antoko politika sy ny antoko mpanohitra efa nofaritana tamin’ny fivoriana ara-potoana farany teo ?

Ny zava-misy mantsy dia efa mandehandeha any amin’ireto Parlemanta anankiroa ireto ankehitriny ny antontan-taratasy mikasika ny volavolan-dalàna hoe ho fandaminana ny raharaha «bois de rose». Tsy ny amin’ny sazy tsy misy fepetra hampiharina amin’izay manao aferana bolabola na andramena ity no mibahan-toerana ao anatin’ilay antontan-taratasy. Anisan’ny misongadina ao ny vola haloan’ireo manana tahirin’andramena tokony halefa any ivelany. Mazava loatra, araka izany, fa hodiovina hanaraka ny lalàna eny anivon’ny CST sy CT ny aferana «bois de rose» malagasy.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT