Ny daty sy ny toerana no miovaova fa ny omaly ihany no anio momba ilay fihaonana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola sy ny governemanta Malagasy.
Andiany faha-10 no notanterahana teny Mahazoarivo omaly ary dia mbola niverina noresahana indray ny resaka ady amin’ny kolikoly sy ny fandripahana ny harem-pirenena, ny tokony hisian’ny mangarahara amin’ny vola ampiasain’ny antoko politika. Somary namantsika ny governemanta Rtoa Violette Kakyomya lehiben’ny PNUD eto Madagasikara raha nandray fitenenana ka nanambara fa tokony hahay hizara vaovao sy hampahafantatra ny zava-misy marina amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ny governemanta fa izay no hahafahana manafaingana ny ady amin’ny kolikoly. Mbola nanamafy ny maha zava-dehibe io serasera sy fifampitam-baovao io ihany koa i Robert Yamate masoivoho Amerikanina. Nanome toky, tahaka ny mahazatra moa ny praiminisitra fa miasa mafy miady amin’ny kolikoly ny fitondram-panjakana ary efa maro ny rafitra napetraka sy mbola apetraka hahafahana manao izany an-tsakany sy an-davany. Namelabelatra ny momba ireo ezaka sy asa natao ny minisitry ny fitsarana, eo aloha ny fametrahana lalàna sy ny asa mivaingana mihitsy ka nahafahana nisakana fanondranana hazo sarobidy ohatra sy nahatrarana fikasana hanadio vola maloto. Tsapa tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny kabary nifandimbiasana teny Mahazoarivo omaly ihany anefa fa tena mbola velon’ahiahy amin’ny mpitondra ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ary manindry mafy ny hanatevenana ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.