Tsy fitiavana manokana an-dRamatoa Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra mihitsy ve ? Tsy fahaiza-miasa ve ?
Nosakanan’ireo mpikarakara ny fihaonana an-tampon’ny Comesa atao eny amin’ny CCI Ivato omaly maraina mantsy Rtoa Lalao Ravalomanana raha iny hanatrika ny fanokafana ny fivoriana iny. Fanontaniana feno avona no nitsena azy : « aiza ny invitation anao madama azafady e ? ». Manana taratasy fanasana aho matoa tonga aty, hoy Ramatoa Ben’ny tanàna sady nasehony ilay « invitation ». Taorian’izay dia mbola nailikilika sy natao anjorom-bala izy tao anatin’ny trano fivoriana. Olona miasa amina fivoriana iraisam-pirenena ve no manana fomba hafahafa tsy mahay mandray vahiny tahaka izany ? Tsy fantatry ny mpikarakara ve fa Lalao Ravalomanana Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra io, tao anatin’ny lisitry ny manampahefana nasain’ny fitondram-panjakana ary nanaterana « invitation » mazava tsara amin’ny anarany ? Moa ve notakiana hampiseho ny taratasy fanasana azy tahaka izany koa rehefa tonga teny amin’ny CCI ny praiminisitra sy ny filohan’ny HCC na ny filohan’ny Antenimieram-pirenena ? Kitoatoa ny resaka fikarakarana, tsy voafehy ny arofenitra, tsy ampy ny fahalalam-pomba faran’ny kely takiana amin’ny fifandraisana aman’olona. Tsy mbola nisy ny tahaka izao hatramin’izay naha firenena an’i Madagasikara. Lasan’ny fitondrana HVM ny amboara amin’ny kitoatoa sy ny hadalana isan-tsokajiny rehetra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.