Nandray anjara tamin’ny fivoriana tsy ara-potoan’ny vondrona SADC tany Swaziland ny sabotsy 18 martsa lasa teo ny filoha Hery Rajaonarimampianina.
Tamin’ireo lohahevitra lehibe 5 antom-pisian’ny fivoriana dia teboka iray ihany no tena nasongadin’ny filoha Malagasy nandritra ny lahateniny dia ny fisaorana sy fankatelemana ny SADC tamin’ny fanohanana sy fanampiana an’i Madagasikara noho ny fandalovan’ny rivodoza Enawo. Tafiditra ao anatin’ilay lohahevitra mahakasika ny fiovaovan’ny toetry ny andro moa izy io. Tena ilaina ary zava-dehibe tokoa ny fahafahana mandritra ny fomba fiasa amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary, hoy izy. Nasongadin’ny filoham-pirenena fa nahafahana nampihena ny aina nafoy ny fananan’i Madagasikara fandaharanasa fiomanana amin’ny fiatrehana rivodoza. Na izany aza, namela takaitra ho an’ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny firenena Malagasy ny rivodoza Enawo. Manantena hatrany ny fifanomezan-tanana eo amin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC ny filoha mba hiatrehana ny loza voajanahary mety hahazo ny firenena tsirairay avy. Tsy dia nasian’i Hery Rajaonarimampianina resaka ny lohahevitra 4 hafa izay tena anton’ny fivoriana tsy ara-potoana tao amin’ny Lapan’ny Mpanjakan’i Swaziland tao Lozitha, dia ny fampiroboroboana ny indostria, ny krizy politika ao Lesotho sy any amin’ny repoblika demokratikan’i Congo ary ny fananganana ilay Oniversiten’ny SADC izay handray mpianatra 300 isan-taona ka manana anjara toerana 20 mahery ao anatin’izany i Madagasikara.Taorian’ny fihaonana tany Swaziland moa dia nitodi-doha atsy amin’ny nosy Maorisy indray nanomboka omaly alahady ny Filoha Malagasy mba hanatrika ny fivoriana ara-toekarena iray lehibe handinihana indrindra ny ho avin’i Afrika, manomboka anio alatsinainy io fivoriana io.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.