Nitarika ny delegasiona malagasy hamonjy ny fihaonana an-tampon’ny vondrom-pifanakalozana aty Afrika Atsinanana na SADC ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier.
Miara-dia aminy ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina Nourdine Chabani sy ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Andiany faha-36 ity fivoriamben’ny SADC ity, hatao any Mbabane, renivohitr’i Swaziland, ny 30 sy 31 aogositra. Manodidina ny fampiasam-bola ho amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa hamokarana angovo hampiroboroboana ny indostria no lohahevitra hiompanan’ny fihaonana. Tamin’ny taona 2005, faha-fitondrana Ravalomanana i Madagasikara no niditra mpikambana amin’ity vondrom-pifanakalozana, manana ny foiben-toerany any Gaborone, Botswana ity. Nenjehin’ny mpanohitra ary nafokaina mihitsy aza fa tsy misy tokony hidirantsika ao, rehefa nihantona i Madagasikara vokatry ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Nanambana ny mpitondra ny tetezamita, izay nipoiran’ny mpitondra ankehitriny fa hiala tao amin’ny vondrona SADC i Madagasikara. Ankehitriny, midodododo miandry ny fanampiany sy ny famonjeny ity fitondrana ity. Nanampy betsaka tamin’ny fialan’i i Madagasikara tamin’ny krizy vokatr’iny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny rahateo ny SADC.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.