Politique

Fivorian’ny SADC Dinihina lalina ny raharaha Madagasikara


  • Alatsinainy 16 Aogositra 2010


Manomboka amin’ity andro anio ity ny fivorian’ireo firenena mivondrona ao amin’ny SADC. Lohahevitra anisan’ireo hodinihina mandritra ny fihaonana ny raharaha Madagasikara.

Nohamafisin’i Jean Louis Rakotoamboa fa “ankolafy Rajoelina vaovao miampy ireo mpamadika no nivory teny Ivato”. Takiana, hoy ity filoha nasionalin’ny Teza ity ny firaisankinan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mikasika ny raharaha Madagasikara. Eo andaniny mantsy ny Sadc mandrirotra, ny hafa kosa anefa aty ambadika mandrafitra sori-dalana vaovao. Tokony harahi-maso akaiky koa ny kaonty sy toebolan’ireo fianakaviana sy olona akaiky ireo olona 109 voasazy sy ireo olona mpamadika. Tetsy andanin’izany dia nanao antso mba tsy hitanilan’ny fiarahamonim-pirenena Rakotoamboa. Efa miantraika amin’ny isam-bilany ny vokatry ny fitantanan’i Andry Rajoelina, hoy izy ka adidy sy anjaran’ny tsirairay ny mitolona. Tsy tokony hisy intsony koa ireo mimenomenona fotsiny fa mila fiaraha-mientana miaraka ny vahoaka.
 
Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT