Miaka-midina ara-bakiteny eny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza sy ny Lapa Maitso Anosikely ireo volavolan-dalŕna dinihan’ireo parlemanteran’ny fitondrana FAT ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoanan’izy ireo
Omaly talata dia ilay volavolan-dalàna fehizoro lah.010/2011 mikasika ny fifidianana solombavambahoaka indray no nodinihan’ireo CT tamin’ilay antsoina hoe : «3è lecture» rehefa nasian’ny CST fanitsiana in-droa miantoana. Novinavinain’ireto farany tao amin’ity volavolan-dalàna ity ny amin’ny tokony hisian’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana solombavambahoaka raha toa ka tsy misy ny mahazo ny vato antsasa-manila saingy notsipahan’ireo CT tsy an-kanavaka tonga nivory izany fa notazonina ilay efa nolanian-dry zareo farany.
Anisan’ny notsipahan-dry zareo koa ny vinavinan’ny CST ihany mikasika ny tokony hanaovana fifidianana hafa raha sanatria misy fahafatesan’ny olom-boafidy iray, tahaka izany koa ny amin’ny iray hafa hoe tokony ho olona mpikambana amin’ny antoko politika na fitambaran’antoko politika ihany no tokony hirotsaka hofidiana. Manana zo hirotsaka ireo olom-pirenena tsy miankina, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Anio ry zareo dia handinika eny anivon’ny asam-baomiera indray an’ilay volavolan-dalàna 012/2011 mikasika ny fifidianam-paritra sy rejionaly ary ny volavolan-dalàna iray hafa mikasika ny antoko politika. Ny tolakandro dia fivoriana hitambarambe handaniana iry voalohany no hiseho.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.