Politique

Fivorian’ny Frankofonia Tsy resy lahatra ny Malagasy


  • Talata 27 Septambra 2016

Antomotra ny 22-27 novambra, fotoana voatondro handraisan’i Madagasikara ny Fivoriana an-tampon’ny Frankofonia

. Maro amin’ny Malagasy no tsy resy lahatra amin’ny fandraisantsika ity fivoriana ity noho ny antony maro. Ekena dokambarotra ho an’ny firenena ny fampiantranoana izany saingy tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy raha jerena amin’ny fiainam-pirenena sy ny fari-piainan’ny Malagasy ankehitriny. Volabe no hatontona ao kanefa ny famahana ireo olona andavanandron’ny vahoaka Malagasy toy ny famatsiana herinaratra, tsy misy afa-tsy 15% amin’izao fotoana izao aza tsy misy tokotaniny. Ny tahan’ny tsy fananan’asa ambony dia ambony fa tsy misy politika mazava mba hoenti-mampihena izany. Ny fandriampahalemana sy ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimon’ny nosy tsy resahina intsony. Any amin’ireo sehatra miakina betsaka amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina no tokony hojerena sy handaniana vola saingy hodian’ny mpitondra tsy jerena. Misy ny fotodrafitrasa apetraka amin’ny fandraisana ny fivoriana fa moa ve mba afaka ny hisitraka izany tokoa ny Malagasy ? Maro ny mahita fa tsy mbola ankehitriny no fotoana tokony handraisantsika fivoriana toy izao. Tsy hisy tombony azo tsapain-tanana ho an’ny vahoaka ity fivoriana ity ary mety hamotika ny fiainan’ny ampahan’olona aza noho ny fandravana fananana mba hanamboarana fotodrafitrasa. Lavitra loatra ny elanelan’ny mpitondra sy ny entina ka tsy misy intsony ny fifampihainoana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT