Andro vitsy tsy hahatongavan’ny Frankofonia, tsy mbola mazava na tena ho avy eto Madagasika ny filoha Frantsay François Hollande amin’io fihaonana an-tampony andiany faha-16 hatao eto Antananarivo ny 22-27 novambra io na tsia.
Ny resaka mivoaka ankehitriny dia nandrenesana fa tsy mahatoky ny filaminana eto Madagasikara ny tenany ka mety tsy hipetraka eto amin’io fotoana io raha ho tonga ihany, fa any La Réunion ny hotely hipetrahany. Voalaza ihany koa fa tsy nahazo famandrihana ao amin’ny hotely lehibe iray eto an-drenivohitra izy kanefa tsy azo antoka amin’ny fiarovana azy ny « Résidence de France » eny Ivandry, izay misy ny trano fonenan’ireo Masoivoho Frantsay eto amintsika. Tsy firenena anjakan’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara saingy maro amin’ny vahiny no mahita fa goragora ny fitandroana ny filaminana eto ary tsy mbola maharaka ny fenitra iraisam-pirenena mihitsy. Efa mandeha rahateo ny resaka fa efa tonga eto ny vondrona mpampihorohoro. Mpitandro ny filaminana miisa 5 000 no ambara fa hetsehina eto Antananarivo sy ny manodidina mandritra ny fihaonana an-tampony faha 16 n’ny Frankofonia.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.