Miha mazava ny zava-drehetra ankehitriny. Voasokajy ao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka fandriampahalemana sy ny ahiahy mety hisiana asa fampihorohoroana ny eto Madagasikara.
Efa hatramin’ny volana septambra no nandefa olona hitsirika ny zava-misy marina eto ny Frantsay. Tonga matetika teto Ramatoa Michaelle Jean sekereta jeneralin’ny OIF, naka toky tsara raha ho zakan’i Madagasikara ny fampiantranoana ilay fihaonana an-tampony. Nijery raha manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana rehetra ampiasaina.
Re izao fa mety tsy hijanona maharitra eto ny filoha Frantsay François Hollande fa tena hanatrika fotsiny ny fivorian’ireo filoham-pirenena sy ny fiaraha-misakafo dia handao an’i Madagasikara. Tsiliantsofina avy amina diplaomaty vahiny no nandrenesana fa tsy hatory eto Antananarivo i François Hollande fa raha misy aza ny mety fitaran’ny fijanonany eto dia hiondrana atsy amin’ny nosy La Réunion izy ny alina ka miverina eto Madagasikara indray ny maraina. Hatry ny omaly hariva moa dia tsy mbola hita tao amin’ny tranonkalan’ny fiadidiana ny repoblika Frantsay www.elysee. Ny daty mazava mety hahatongavan’ny filoha Frantsay eto Madagasikara sy ny fe-potoana mety hijanonany eto.
Na dia eo aza izany, ny fandraisana fepetra maro be hanova ny fiainan’ny mponina eto Iarivo ataon’ny fitondram-panjakana dia tsy hanova na inona na inona fa tsy mahatoky antsika ihany ny vahiny raha filaminana sy fandriampahalemana no resahana. Niaraha-nahita tokoa ireo karazana korontana, famonoan’olona amin’ny fomba feno habibiana na vahiny io na Malagasy nitranga teto tato anatin’ny taona vitsivitsy izay tahaka ny tany Nosy be, Sainte Marie, Mandritsara, Toliara, Mananjary, Antananarivo…Tranga manaratsy endrika an’i Madagasikara ireny, indrindra moa fa mitarazoka loatra ny fanadihadiana mba hahafantarana ny tena marina ka hanasaziana ireo rehetra nandika lalàna.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.