Politique

Fivorian’ny depiote Hitobaka indray ny vola be ?


  • Talata 02 Mey 2017

Misokatra amin’ny fomba ofisialy anio talata 2 mey ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana roa tonta, dia ny antenimieram-pirenena sy ny antenimierandoholona.

 Amin’ny 2 ora tolakandro ny fotoam-panokafana ofisialy ho an’ny eny Tsimbazaza ary amin’ny 4 ora tolakandro kosa ny eny Anosy. Maro ireo lohahevitra hodinihina. Anisan’ny mety horesahina eny amin’ny antenimierandoholona ny fepetra horaisina momba ny loholona Lylison sy Riana Andriamandavy VII. Mety horoahina tsy ho ao anatin’ny antenimierandoholona izy ireo. Ho an’ny kolonely Lylison dia mety hampiharina aminy ny fitsipika anatiny, dia ny fandroahana noho ny tsy fahatongavana nanatrika fivoriana tao anatin’ny fotoana naharitra. Ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Riana Andriamandavy VII kosa dia tompon’antoka tamina fikomiana sy fitarihana andian’olona nitora-bato sy nanakorontana teny amin’ny biraon’ny Bianco nandritra ny nitazonana an’i Claudine Razaimamonjy teny an-toerana. Ho an’ny etsy Tsimbazaza kosa, efa herinandro vitsy izay ny nisian’ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Asa na ho tanteraka na tsia fa efa maro ihany ireo resaka mifamahofaho momba azy ity.

EFA RAIKITRA NY FIZARANA MALETY

Tsy manomboka akory ny fivoriana ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena, dia efa niomana fatratra amin’ny fisakanana ny fitsipaham-pitokisana mety hiseho ny fanjakana, raha ny vaovao azo. Voalaza fa niverina tamin’ny fomba ratsy fanaony amin’ny fampiasana volabe indray ny HVM, ka efa nisy ary mety mbola hitohy indray ny fizarana malety eny Tsimbazaza. Tsy maintsy ny 2/3-n’ny mpikambana eo anivon’ny antenimieram-pirenena no mandany ny fitsipaham-pitokisana, izay manome 106/151, ka kendrena fatratra ny tsy hahazoana io isa io. Solombavambahoaka miisa 2, izay efa fantatra anarana no voalaza fa ampiasain’ny HVM hizara ny volabe ho an’ireo solombavambahoaka mba tsy hahatanterahan’io fitsipaham-pitokisana io. Ho fitandroana ny resaka loharanom-baovao, dia tsy azo atao aloha ny mamoaka ny anaran’izy ireo. Andrasana izay ho fivoaran’ny toe-draharaha.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT