Politique

Fivorian’ny COMESA teny Ivato Tara ny fivoahan’ny vola nampiasaina


  • Alatsinainy 24 Oktobra 2016

Fantatra izao fa nisy fahatarana ny fivoahan’ny ampaham-bola sasany ho fanomanana ny fihaonana an-tampony faha-19 an’ny Comesa natao teny Ivato farany teo (10-19 oktobra).

 

 Araka ny loharanom-baovao iray azo antoka dia nihisatra be ny famoaham-bola ka andro vitsivitsy mialoha ilay fivoriana vao nivoaka ny vola. Manampy izay, tena voafetra io vola nivoaka io mba tsy ilazana hoe kely sy tsy ampy mihitsy aza. Niandraikitra ny fanomanana sy fikarakarana ity fihaonan’ny Comesa ity ny minisiteran’ny varotra, ny minisitra lefitra misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana. Nitondra ny anjara birikiny koa  ny minisiteran’ny raharaham-bahiny malagasy. Anisan’ny asa be nataony, ohatra, ny fifampiraharahana mba hamoanana ny tetibola ilaina amin’ny fivoriana sy ny ezaka fandresen-dahatra ny fahatongavan’ireo filoham-pirenena Afrikanina. Nifampizaran’ny rehetra ny andraikitra na tamin’ny zavatra nety na ny lesoka tamin’ny fandraisana iny fivoriana iny ary mila atao lesona amin’ny manaraka. Tsy tokony hohadinoina fa ny voninahi-pirenena no voatohintohina rehefa misy ny tandrevaka sy tsy fetezana. Lesoka ho an’ny fitondram-panjakana ihany koa ny tsy fahafantarana mialoha ny zavatra vita sy zakan’ny vola eo am-pelatanana. Dedaka mampiantrano fivoriana iraisam-pirenena kanefa avy eo ataon’ny olona resaka manerana an’izao tontolo izao hoe : kitoatoa fiasa be ry zareo Malagasy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT