Politique

Fivoriamben’ny Firenena Mikambana Tsy hiresaka “îles éparses”


  • Talata 20 Septambra 2016

Amin’ny manaraka indray ! Nahemotra ho amin’ny fivoriambe faha-72 ny Firenena Mikambana ny firesahana ny “îles éparses” na ireo nosy Malagasy (Juan de Nova, Glorieuses, Bassas de India ary Europa) ifandroritan’i Madagasikara amin’i Frantsa.


 Sasatry ny mihemotra ny fandinihana an’ity resaka ity. Voalahatra ho anisan’ny lahadinika vonjimaika hodinihina mandritra ny fivoriambe faha-71 io “îles éparses” io. Ireo mpivory tamin’ny zoma raha nidinika ny tena lahadinika handraisan’ny mpivory fanapahan-kevitra dia nanapaka fa hahemotra ho amin’ny fivoriambe manaraka andiany faha-72 indray ny amin’io. Dia nampirimina any anaty vatasarihana indray izany ny fehin-kevitra nivoitra tamin’ny fivoriambe nokarakarain’ny Fikambanana Nosy Malagasy (ANM) nalefa mba hodinihina amin’ity fivoriambe faha-71 ny Firenena Mikambana ity. Andrasana moa raha hanatsidika resaka momba io “îles éparses” io ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mandritra ny fandraisam-pitenenany amin’ny 22 septambra ho avy io. Omaly izy no niala an-tanindrazana, raha toa ka efa any New York ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Atallah Béatrice. Marihina fa ny solontena maharitry ny nosy Fidji eo anivon’ny Firenena Mikambana sady ambasadaoro any Cuba, Peter Thomson, no voafidy ho filoha hitarika ny fivoriambe faha-71 ny Firenena Mikambana amin’ity, izay hisokatra ofisialy rahampitso alarobia 21 septambra 2016.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT