Zary resa-be eny anivon’ny fiarahamonina sy any anaty tambajotra sosialy ny namoahan’ny fanjakana ireo vola taratasy amin’ny endriny vaovao.
Eo ny resaka fitotonganan’ny harinkarena matoa mamoaka vola vaovao, indrindra fa ny nanaovana ny 20 000Ariary mitambatra, fa mahabe resaka ny kalitaony. Saika ny 90%-n’ny fanehoan-kevitra dia fanakianana avokoa satria tena ratsy ny kalitaon’ilay vola vaovao, ary tsy laharam-pahamehana ny nanaovana azy, saingy ninian’ny fanjakana natao. Tsikaritra ho nalaina tahaka tamin’ny vola vahiny “Euros”, saingy natao petatoko satria ny olona raha nanao ny azy dia efa am-polony taona maro no nanomanana azy, indrindra tsy miteny ny sandan’ny antsika mitaha amin’ny azy. Tafiditry ny resaka famotsiam-bola goavana noho ny afera ataon’ny mpitondra ny famoahana vola vaovao, ary anisan’ny antony lehibe iray voalaza fa tsy nampitovy hevitra samy mpitondra, ka nametrahan’ny minisitry ny vola teo aloha fialana. Tsy mba nanana tantara tsara teto amin’ny firenena ny fanjakana HVM fa ny kolikoly sy afera maloto, tsy fahaiza-mitantana, fitomboan’ny fahantrana … no mba hany manamarika azy. Nihevitra ny hametraka tantara tamin’ny famoahana vola vaovao saingy vao mainka nijabaka satria kiana mivaivay sy fahafaham-baraka no azo. Lasa fanambakana ny Malagasy ny namoahana azy io satria maro ny fampitam-baovao avy any amin’ny faritra maro fa misy ireo olona efa manambaka sy manely tsaho fa tsy miasa intsony vola teo aloha, ka dia vidian’ireo fetsifetsy sy malain-kisahirana ambany fa tsy araka ny tena lanjany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.