Politique

Fiverenan’ny Filoha Ravalomanana Hiaro azy ny vahoaka


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Nanakoako teny amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly, fa tsy hihemotra ny zanak’i Dada n’inona n’inona fampitahorana. Nohamafisin’ny Depioten’i Brickaville, Leriva Manahirana tam-pahasahiana izany hoe : “na iza hisakana sy hampitahotra i Marc Ravalomanana tsy maintsy mody an-tanindrazana ary hiaro azy ny vahoaka”. Mila hamafisina ny vavaka, hoy ny Depioten’i Faratsiho, Randrianjatovo Henri, fa ny finoan’ny Filoha Ravalomanana no nanavotra azy.

Mandeha ny feo fa hosamborina izahay, hoy ny Pasitera Edouard Tsarahame. Tsy izany no hampiala an’i Madagasikara amin’ny krizy, hoy izy fa ny tetezamita tena izy sy ny tsy maintsy fodian’ireo Filoha roalahy any ivelany. Ny tahotry ny kanosa no mahafaty ny demokrasia, hoy indray kosa ny Depioten’i Mananjary Camille Mektoub. Na iza hihinana poizina na iza te ho faty, i Marc Ravalomanana tsy maintsy mody, hoy izy. Araka ny fantatra dia hanao fanambarana ao Behoririka ny Ankolafy telo sy ny Rodobe anio.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT