Nahavelom-bolo ireo zanak’i Dada ny fandrenesana ny fanambaran’i Marc Ravalomanana ny alarobia lasa teo fa tsy maintsy tafaverina an-tanindrazana ny tenany ary hihaona mivantana amin’ny vahoaka indray rehefa nanao sesitany nandritra ny herintaona sy iray volana mahery.
Raha hiverenana kely ny tantara dia nilaza fa tsy maintsy hanao krismasy sy fetin’ny faran’ny taona miaraka amin’ny mpiray tanindrazana aminy eto Madagasikara ity filoha teo aloha ity tany amin’ny volana oktobra tany, saingy tsy tanteraka moa noho ny tsy filaminan’ny toe-draharaha politika izany. Tsy dia nisy firy intsony ny resaka momba ny fodiany taorian’izay, ary maro ireo nalahelo sy diso fanantenana. Nandeha ihany koa moa ny resaka avy eo fa hoe nisy ilay fifanarahana am-bava nataon’ny filohan’ny ankolafy 4 tany nandritra ny Maputo 1, ka toa hoe nanaiky ny tsy hiverina eto Madagasikara, hono i Marc Ravalomanana raha tsy vita ny fifidianana filoham-pirenena. Raha adika tsotsotra izany dia tsy ho kandida amin’ny fifidianana izy. Saingy tsy nisy moa ny fanamafisana izany vaovao niely izany. Nanamafy anefa atoa Ravalomanana fa tsy maintsy tafaverina an-tanindrazana izy. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia misy ifandraisany amin’ny mety hisian’ny fihaonan’ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny HAT atsy Afrika Atsimo iny fanambaran’i Marc Ravalomanana ny amin’ny hiverenany iny. Mety hanaiky ny soso-kevitry ny Frantsay sy ny ankolafy Rajoelina amin’ilay endrika governemanta manome vahana ny HAT ny filoha teo aloha, fa mitaky kosa ny famelana azy sy ny fianakaviana hiverina an-kalalahana eto Madagasikara, ary hahazo ny zo rehetra amin’ny maha filoham-pirenena azy teo aloha.
Araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao ihany koa dia mety hitaky ny hampitsaharana ny fanenjehana azy eo anivon’ny fitsarana sy hanafoanana ireo didy efa navoaka momba azy i Marc Ravalomanana. Matoa misy ny fanekena hifampidinika dia tsy maintsy misy ny fepetra napetraky ny roa tonta ao ambadik’izay. Mety hanaiky izany ve i Andry Rajoelina ? Ho hita eo ny ho fitrangany fa raha ny tombana aloha dia samy tsy maintsy mampandefitra ny hambom-pony izy miarahaly mianaka, fa araha tsy izany dia ho krizy lavareny no hitranga eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.