Vonona ary miandry tanteraka ny fotoana hitsenany an’i Dada ny ao Antsirabe amin’izao fotoana izao.
Totoafo ny fivoriana fanomanana io fiverenan’ny Filoha Marc Ravalomanana io raha ny tsikaritra. Araka ny tafa nifanaovana tamin’i Dadamanana, mpitari-tolona ao Antsirabe, dia efa mipetrapetraka daholo ny paikady ary efa manetsika ireo herivelona rehetra ireo komity nitsangana ary hitohy amin’ny fidinana eny anivon’ny Fokontany ny fanentanana. Raha ho an’ny mpiasan’ny Tiko, ohatra, dia fiaraha-nivavaka no nanombohana izany ny zoma 22 jolay teo ka tao amin’ny Fjkm Kamafa Vatofotsy no nifamotoana ireo mpiasa rehetra. Nisy ny tafa fohy nifanaovana tamin’ny filoha Ravalomanana, mpanorina ny orinasa, nankaherezany ireo mpiasa mba tsy ho kivy satria efa nankinina tamin’Andriamanitra hatrany am-piandohana ny Orinasa, hoy izy ka mila mitazona hatrany ilay filamatra hoe: “Aza matahotra fa minoa fotsiny ihany», ny mpiasa fa ho avy tsy hoela ny tenany ary hampiodina indray ity orinasa ity hanasoavana ny mpiara-belona.
Ankoatra izany dia efa misy ihany koa ny fanomanana sy fananganana ireo komity samihafa anivon’ireny sampandraharaha samihafa ireny toy ny eo anivon’ny fampianarana, ny fahasalamana ary ireo mpivarotra. Ny zavatra tsikaritra dia velom-bolo tanteraka ary manantena zavatra ny vahoakan’i Vakinankaratra ka na ireo somary variana tamin’ny fitadiavana aza dia tsikaritra ho miverina tsikelikely ao amin’ny Kianjan’ny Maro Avaratsena isaky ny sabotsy satria dia mitohy hatrany moa ny tolona ao amin’ity kianjan’ny ara-dalàna ity ny alarobia sy sabotsy ary mifantoka tanteraka amin’izay fanomanana ny fitsenana ny filoha izay.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.