Tahaka ny mahazatra dia samy nanana ny nandraisany ny fanapahan-kevitry ny Sadc ny tsirairay, araka izay fironana misy azy.
Ho an’ireo mpanara-dia ny filoha Ravalomanana dia azo ambara fa fandresen’ny Malagasy iny tsoa-kevitra iny na dia mitaky andraikitra sy asa makadiry ary fahamailoana aza. Efa miomana amin’izay mety handraisana ny maherifony ireo mpanara-dia an’i “Dada”. Andaniny indray dia ireo mpomba ny FAT sy ireo mahazo tombontsoa amin’izao fitondrana izao izay hita fa toa voatsipaka ambavafo ihany satria efa nanantena ary nivavaka tamin’ny SADC mihitsy fa ny heviny no havoaka any Afrika Atsimo. Tsy izany anefa no nitranga. Vokany, fivoriana atsy, fivoriana aroa. Omaly maraina, ohatra, dia tsy nisy nipika ny dinika nifanaovan’ny filohan’ny FAT sy ireo avy ao amin’ny tafika.
Ny tolakandro ihany anefa dia niloa-bava ny be baoty, na dia tsy tokony ho anjarany aza izany fa dia manohitra ny fiverenan’ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ny foloalindahy fa hoe hiteraka korontana izany ary dia nilaza izy ireo fa vonona handray fepetra mifanaraka amin’izany. Ho an’i Pierre Tsiranana indray dia nandrangaranga ny hisamborana ny filoha Ravalomanana rehefa tafaverina migadona eny amin’ny seranana ny tenany. Ambarany koa fa tsy ho lany mihitsy ingahy Ravalomanana raha hilatsaka hofidiana. Toa ny hifanohitra amin’izany anefa ny hitranga satria hiaraha-mahalala fa ny tahotra izay hahavoafidy indray an’ingahy Ravalomanana izay no anisan’ny antony hanoheran’ny FAT ny fiverenany eto. Efa nitranga teto amintsika rahateo izany kisary izany ny taona 1996, tamin’ny andron’ny Amiraly. Hiaraha-mahafantatra ihany koa fa tsy 20 tapitrisa no nanongana ny filoha am-perinasa tamin’ny martsa 2009, fa vondron’olona vitsy nampian’ny ampahany teo anivon’ny tafika, araka ireny fijoroana vavolombelona nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ny 05 janoary 2011, izay narahina fanambarana an-tsoratra, ireny fa sady nampiasana vola no nampiasana fitaovam-piadiana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.