Politique

Fiverenan-dRavalomanana Hofaritan’ny SADC ny 17 aogositra ho avy izao


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Ny 17 sy 18 aogositra ho avy izao dia hisy fihaonambe izay fanaon’ny SADC isan-taona, ka any Luanda (Angola) no hampiantranoana ny fivoriana.

 Anisan’ny ho ao anatin’ny lahadinika amin’ity fihaonana faha-31-n’ny SADC ity ny raharahan’i Madagasikara. Araka ny vaovao dia fotoana hanamafisan’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC ny fehin-kevitra tapaka tany Sandton io fihaonana any Luanda io. Anisan’ny tapaka tany moa sady niteraka sahoan-dresaka marobe ny momba ny fiverenana an-tanindrazana tsy misy fepetra an’ireo sesitany politika rehetra sy ny fahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fiainana politika eto Madagasikara.

Ankoatra ny fodian’ireo sesitany dia takian’ireo nivory tany Sandton koa ny famotsorana tsy misy fepetra ireo gadra politika rehetra sy ny fanokafana ireo haino aman-jery sy gazety nakatona. Araka ny fantatra àry dia hamaritra tetiandro ity fihaonana any Luanda ity toy ny hamantarana ny daty hiverenan’Atoa Ravalomanana an-tanindrazana. Mandritra ity fihaonana faha-31n’ny SADC any Luanda ity ihany koa no handraisan’ny filoha Afrikanina Tatsimo, Jacob Zuma amin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny sampandraharaha momba ny fiarovana, ny politika ary ny fandriampahalemana na Troïka eo anivon’ny SADC. Izy moa no handimby toerana ny filoha Namibianina Hifikepunye Pohamba. Ankoatra ireo filoha mirahalahy ireo dia hanatrika io fihaonana io koa ny Sekretera jeneralin’ny Vondrona Afrikanina, Jean Ping.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT