Tsy tonga eny amin’ny antenimieram-pirenena akory ny resaka fitsipaham-pitokisana, dia efa mandeha sahady ny hevi-petsy hisakanana azy tsy ho tanteraka.
Raha ny loharanom-baovao iray, dia mandeha ny fanambazana vola ireo solombavambahoaka tsy hanaiky ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny ekipany. Solombavambahoaka 2 no nampiandraketina ny fizarana malety fanaon’ny HVM, raha ny vaovao azo ka ireo no hampisahanina ny fanambazana ireo depiote tsy handany ity resaka ity. Marihina fa ny 2/3-n’ny mpikamban’ny antenimierandoholona, izany hoe 106 amin’ny 151 no ilaina amin’ny fanatontosana ny izany. Mikasika azy io, nilaza ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy omaly, fa mbola resaka fotsiny aloha hatreto ny momba azy io. Efa maro ny resaka nandeha momba izany hatramin'izay saingy tsy tanteraka sy tsy niseho akory, araka ny heviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.