Lasa tsy mpanara-dalàna avokoa ny ben’ny tanàna noho ny tsy fananana «valeurs fiduciaires» mazava tsara eo anivon’ny «Imprimerie nationale», hoy ny filohan’ny AMGVM (Association des Maires des Grandes Villes de Madagascar) Razanakolona Raoul.
Miainga amin’ny vahoaka ny famatsiambola fampandrosoana ny tanàna eto Madagasikara, araka ny fanazavany nandritra ny fanokafana ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-mitantana sy ny fitadiavana loharanom-bola teny amin’ny hotely Ibis Ankorondrano omaly. Sakana fototra tsy ahafahan’ny ben’ny tanàna miasa araka ny tokony ho izy ny lalàna antitra momba ny fitsinjaram-pahefana efa tany amin’ny taona 1960. Tsy manaraka ny toetrandro intsony, ohatra, ny solona hofantranon’ny kaominina 18.000 ariary. Hampiova avy hatrany ny sehatry ny fampandrosoana ny fitantanana eny anivon’ny kaominina moa ny fampitomboana ho 20% ilay 0,02%-n’ny tetibola haverin’ny fanjakana foibe eny ifotony. Fanirian’ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna an-drenivohitra eto Madagasikara rahateo ny famolavolana ny lalànan’ny fitsinjaram-pahefana miainga avy amin’ny tolo-kevitra haroson’izy ireo eo anivon’ny Antenimiera mpanao lalàna.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.