Politique

Fitsenana an’i Dada Vonona tanteraka i Vakinankaratra


  • Alakamisy 16 Jona 2011

Nafana tanteraka indray ny hetsiky ny Zanak’i Dada Antsirabe omaly alarobia 15 jona tolakandro, na dia somary nampiroaroa saina ireo mpitolona aza ilay fanambarana nataon’i Andry Rajoelina ny talata teo iny, izay maharomotra ny vahoaka ary mitady hiditra amina vela-pandrika hikorontana ny sasany.

Na izany aza dia nanentana ny mpitolona mba ho tony sy hitandrina ireo mpitarika fa tsy mbola mifarana ny tolona raha tsy tonga eto Madagasikara ny filoha Ravalomanana. Nisy ihany koa ny fidirana mivantana an-telefaonina nataon’ireo mpitarika avy aty an-drenivohitra mba hiomanan’ny olona sy ny mpitolona amin’ny fitsenana ny filoha no sady nanamafy fa tsy maintsy ho tonga izy na inon-kidona na inon-kihatra ka hita fa nahafaly ny zanak’i Dada izany.

Ny tsikaritra aloha raha ny ao Antsirabe dia hita fa efa vonona amin’izay fandraisana ny filoha Ravalomanana izay ny akamaroan’ny olona satria dia  nitondra mangidy mihitsy ity Faritra Vakinankaratra ity tao anatin’izay roa taona nitondran’ny FAT izay. Marihina moa fa anisan’ireo faritra be mpamokatra samihafa ary orinasa ny ao Antsirabe saingy  be no nikatona ka nahavery asa ny olona ary amin’izao fotoana dia manjaka ny mpanararaotra ka izay tian’ny mpividy no ividianana ny vokatry ny tantsaha sy ny mpiompy ka saika maty antoka sy mitaraina ny tantsaha fa tsy misy mpihaino nefa tsy afa-manoatra.

 

Caïus R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT