Politique

Fitsarana Sazio izay mpitsara manao hadisoana, hoy Rajoelina


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011

Nandray asa nanomboka omaly ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara izay ny filohan’ny FAT no filohany.

 Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly koa, noho izany, ny fotoam-piasany. Andraikitr’ity rafitra ity ny fitantanana ny asan’ny mpitsara sy manoro hevitra amin’ny fanondrotana laharana sy famindran-toerana ary ny fiantohana ny fampiharana ny fehezan-dalàna momba ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpitsara ankoatra ny fandinihana ny fanapahan-kevitra hanasaziana ny mpitsara manao fahadisoana. Anjara andraikiny koa noho izany ny manome sazy. Raha nandray fitenenana i Andry Rajoelina dia nanoritsoritra ny fahaleovantenan’ny fitsarana ka nilaza fa “tsy ekeko ny faneriterena ny mpitsara mamoaka didy”. Miantso ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara hanasazy ireo mpitsara manao hadisoana koa ny tenany. Maro hoy izy, ireo olona meloka nefa avotsotry ny fitsarana na koa mbola mandresy ihany izay mahatonga ny olona hilaza fa misy ny kolikoly amin’ity sehatra ity. Ankoatra izay dia nanadio tena mafy koa ny tenany raha nilaza fa tsy mbola nanao tsindry bokotra na tsy hanome baiko momba valim-pitsarana.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT