Politique

Fitsarana ny “Raharaha 7 febroary” “Aoka hiseho ny marina !”, hoy ny Ankolafy Telo


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Hanaraka akaiky ny raharaham-pitsarana mikasika ny “7 febroary 2009” eny Anosy anio ny Ankolafy telo.

 Araka ny fantatra dia ho foana mihitsy ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka anio, fa dia hanao rodobe eny amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy ny mpitolona rehetra. Ity raharaha “7 febroary 2009” ity rahateo no nibahana tamin’ny kabary rehetra tao Behoririka omaly. Malagasy ianareo mpitsara ary fitoniana politika no tadiavina, hoy i Ignace. Jereo ny zavatra niseho tany Afrika Atsimo tamin’ny andron’ny “apartheid”, hoy izy, raharaha politika ireny fa noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia nampanginina. I Jeanson, tetsy andaniny nanohy fa manara-maso ity raharaham-pitsarana ity ny any La Haye ary ho vaky ambatolampy ny resaka, hoy izy. Fa nisintona ny sain’ny Fitsarana tamin’ny alalan’ny fanontaniana kosa i Andriampilamanana Rostand, ka nilaza fa eo Anosy ihany ve ianareo dia tsy mahatsapa fa misy zavatra tokony hotsaraina mialoha ny raharaha 7 febroary ? Izy ihany moa no namaly fa raha hotsaraina ny “raharaha 7 febroary” dia ny kolonely Charles ihany ajoro vavolombelona dia vita ny tantara. Amim-panantenana kosa no nilazan’ny depiote Zafilahy Stanislas fa “hiseho ny marina raha tsy mitongilana ny mizana”.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT