Politique

Fitsarana mandika lalŕna


  • Alarobia 23 Jona 2010

Hanamarika ny andro anio ny amboletra amin’ny hitsarana ny «raharaha 7 febroary 2009». Ny manampahaizana, indrindra fa ny mpahay lalŕna dia samy velom-panontaniana manoloana ny fahaleovantenan’ny fitsarana malagasy sy ny amin’ity lazaina fa tany tan-dalŕna manoloana ny toe-javatra toy izao ity.

Tsy vao sambany anefa fa matetika raha ny tato anatin’ity fitondran’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (FAT) ity no misy zavatra hafahafa, tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Nampiteny ny moana ny nivoahan’ilay didy hitsivolana 2010-001 tamin’ny 10 janoary 2010 manova ny lalàna fehizoro mamaritra paikady eny amin’ny Fitsarana tampony, ka nanoritany fa manomboka izao tsy azo henjehina na toriana ny didim-panjakana na fanapahana raisin’ny governemanta. Mbola izay ankisisika izay no hitondrany ity raharaha 7 febroary ity. Mazava anefa ny voalazan’ny fotokevitra ankapoben’ny lalàna iraisam-pirenena, izay nankatoavintsika Malagasy ary voarakitra rahateo amin’ny lalàmpanorenana sy amin’ireo fehezan-dalàna samihafa toy ny voalazan’ny andininy faha-7 sy faha-8 amin’ny «Déclaration de 1789», voarakitr’ireo fifanarahana iraisam-pirenena samihafa toy ny «Pacte International des Droits Civils et Politiques» araka ny andininy faha-9 tapany voalohany, ny andininy faha-22 amin’ny satan’ny Fitsarana iraisam-pirenena, ny fifanarahan’i Vienne (1969) ary mazava loatra amin’ny fitsipi-dalàna famaizana malagasy, fa dia tsy misy olona azo helohina na tsaraina raha tsy voahaja ny lalàna sy ny paikady voatondron’ny lalàna.

Ny lojikan’izay, amin’ny maha rafitra mpitsara ny fitsarana dia tokony hitsara araka ny lalàna sy ny tandrim-pahefany. Eto anefa na ny lalàmpanorenana malagasy na ny lalàna manan-kery dia tsy manome fahefana ny Fitsarana ady heloka bevava tsotra (Cour Criminelle Ordinaire) na ny rantsam-piampangana (Chambre d’Accusation) hanenjika na hitsara Filoham-pirenena na ireo miaramila niambina Lapam-panjakana, izay asa iandraketany rahateo ny miaro izany.
 
Koa raha nanapaka ny ratsam-piampangana fa azon’ny Fitsarana momba ny heloka bevava tsotra tsaraina ny “raharaha 7 febroary” dia fanitsakitsahana ankitsirano tsotra izao ny lalàna manan-kery izany ary midika ho famoronana fitsipi-dalàna famaizana vaovao koa, araka ny fahitan’ny mpahay lalàna azy ary miombom-peo amin’izany ny maro. Koa raha izay no isisihana dia miharihary eto indray fa dia lasa fitaovana ampiasain’ny mpitondra amin’izay fotoana sy tiany hampiasana azy hanenjehana sy hamaizana izay rehetra manelingelina azy ny fitsarana malagasy. Terena hotsarain’ny Fitsarana momba ny heloka bevava tsotra momba ny raharaha 7 febroary anio ny filohan’ny Repoblika na dia mazava aza ny voatondron’ny lalàna fa ny «Haute Cour de Justice» ihany no manana fahefana hitsara filoham-pirenena. Izany dia hamafisin’ny didy fitsipi-dalàna famaizana araka ny andininy faha-511. Ary ny filoham-pirenena sy ny mpikambana amin’ny governemanta dia tsy azo henjehina amin’ny heloka vitany teo am-panatanterahana ny asany, raha tsy eo anatrehan’ny «Haute Cour de Justice». Amin’izay dia mbola arahina fepetra fa tsy maintsy ankatoavin’ny antsasamanilan’ny roa ampahatelon’ny mpikambana amin’ny Antenimiera isanisany, dia ny Antenimieram-pirenena an-daniny ary ny Antenimierandoholona an-kilany amin’ny alalan’ny latsabato ampahibemaso ny fiampangana. Eto anefa dia tsy misy Parlemanta fa efa naaton’ny FAT tamin’ny volana aprily taona 2009, koa na dia nandefa ny raharaha any amin’ny “Chambre d’accusation” aza ny Procureur Général ao amin’ny Fitsarana ambony eto Antananarivo dia mazava ny resaka eto fa tsy hita fototra ny fandikan-dalàna, ary lojikan’izay dia tsy misy sazy tokony hambaran’ny fitsarana ary tsy misy paipaika azo arahina raha tsy voahaja ny lalàna.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT