Manoloana ny didim-pitsarana nivoaka ny 14 febroary, manameloka ny loholona Lylison higadra an-tranomaizina 1 taona sazy mihatra
, dia nametraka fanoherana na « opposition » teny amin’ny fitsarana ary nanatitra ny dika mitovy amin’izany teny amin’ny antenimieram-pirenena ny fianakaviany notarihin’ny mpisolovava azy omaly. Antony ny hisorohana ny mety handraisan’ny antenimierandoholona fanapahan-kevitra manokana noho iny didy nivoaka iny. Miteraka adihevitra lehibe, indrindra fa ny tontolo politika iny fitsarana iny, ka nitondra ny heviny ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza omaly. Nanaraka ny fepetra ny fitsarana an’ny loholona Lylison ary dosie toy ny rehetra ihany io, satria efa nandalo famotorana, ary niakatra teny anivon’ny fitsarana. Izy tsy hita kanefa nisy ny didy fampisamborana, ka tsy maintsy faranana sy notsaraina ny dosie, hoy io tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fitsarana Malagasy io. Nomarihiny fa nisy ny fiantsoana saingy tsy nipoitra ny loholona Lylison. Tena ara-dalàna iny fitsarana iny raha ny fijerinay ety anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, hoy hatrany io tompon’andraikitra io. Tombanana ho tsy misy hevitra intsony ny hahavoatazona ity manamboninahitra ity ho loholona rehefa ny eo anivon’ny fitsarana no mijoro fa ara-dalàna ny fanenjehana sy ny fandetehana azy. Ny faneken’ny fitsarana ny taratasy fanoherana ny didy efa nivoaka avy amin’ny fitsarana sisa fara fanantenana ho azy, raha dinihina amin’ny zava-misy ankehitriny. Etsy an-kilany, tsy fantatra mazava izay misy ny kolonely Lylison, raha samy nihevitra ny rehetra fa hosamborina amin’izay ny tenany taorian’iny didim-pitsarana, izay ambaran’ny ankamaroan’ireo mpomba azy ho didim-pitsarana politika iny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.