Politique

Fitsarana an-dRalitera Ho hita eo izany fahaleovantenan’ny fitsarana izany


  • Alakamisy 11 Aogositra 2011

Ho hita eo indray ny fahaleovantenan’ny fitsarana amin’ny fitsarana an’Atoa Ralitera Andrianandraina etsy Anosy anio alakamisy 11 aogositra, hoy ny feo nanakoako tetsy amin’ny kianjan’i Magro Behoririka omaly.

 Nanitrikitrika i Zafilahy Stanislas fa : «ho hita eo indray ny hataon’ny fitsarana fa izahay efa nandalo teo amin’izany fitsarana izany sy fanadihadiana. Baiko mitontona io !». Ahiahy no nanohizan’i Manoela azy tamin’ny fanontaniana nilaza fa : «hanao ny marina sa hanao zavatra hafa indray ? Dieny mbola milamina dia avohay ireny olona rehetra ireny fa madio tanana”. “Mila manotrona an-dRalitera isika. Lehilahy mitahiry tsiambaratelo iny”, hoy i Jean Louis Rakotoamboa. Voaresaka tao koa ny olan’ny ladoany. “Tsy misy fahafahana miteny sy maneho hevitra intsony eto Madagasikara fa izay maneho izany dia handefasana herim-pamoretana”, hoy i Ignace. Fa “inona no atahorana ny fitokonan’ny ladoany ? Anarana hivoaka ?”, hoy i Guy Maxime namintina izay rehetra izay.

 

Manohy

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT