Politique

Fitsapankevi-bahoaka Baraingo indray ilay datin’ny 17 novambra


  • Zoma 17 Septambra 2010

Afaka roa volana katroka androany ny fitsapankevi-bahoaka momba ny lalŕmpanorenana raha hotazomin’ny FAT ihany ny datin’ny 17 novambra 2010, nifanarihan’ny ESCOPOL sy ny UDR ary i Andry Rajoelina tao anatin’ilay fifanarahana politika niarahan’izy ireo nosoniavina teny Ivato ny zoma 13 aogositra 2010.

Hatramin’ny anio anefa na izay lalàmpanorenana hakana ny hevi-bahoaka aza tsy fantatra fa mbola harafitra, angamba, raha tsy hoe efa nisy vonona any ambadimbadika. Nisy mantsy karazam-panontaniana nalefan’ny komity fakan-kevitra momba ny lalàmpanorenana naroso tamin’ny mpizaika teny Ivato, nandritra ny fihaonambem-pirenena, nefa tsy voavaly avokoa fa dia nosafosafoina fotsiny sisa. Fanontaniana 130 mahery be izao koa moa ka difotra tao ny mpizaika. Hatramin’ny oviana koa anefa no ho vita ny fandravonana raha ka voavaly avokoa ny fanontaniana ? Ny fotoana anefa ity mandroso ihany, ny fanazavana ny votoatiny manginy fotsiny, ny fampiasana bileta tokana tsy resahina intsony. Koa eo no ilazana fa dia ho tefimaika ary ho teren-ko masaka toa voalobo-jaza ny fandaniana ilay lalàmpanorenana ambara fa hananganana Repoblika marin-toerana, na dia efa mandeha ila aza ny nanaovana azy, raha hotazomina ihany io daty io. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT