Politique

Fitsapan-kevi-bahoaka Volan’ny Unesco no hanaovana azy ?


  • Talata 05 Oktobra 2010


Mandeha ny feo ankehitriny fa volan’ny Unesco natokana hampiroboroboana ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara no angalana hanaovana ny fitsapan-kevi-bahoaka kasain’ny FAT hotanterahina ny 17 novambra ho avy io. Raha nangata-panazavana sy mangarahara amin’ny loharanom-bola handoavan’ny FAT ny karaman’ny mpiasa sy hampandehanana ny raharaham-panjakana ny fiarahamonina sivily ny volana aprily 2010, ka nametraka fanontaniana miisa sivy, dia tsy nahazoam-baliny izany. Any am-pitetezana faritra anefa ny mpitondra FAT dia mamerimberina fa misy ny vola ary manam-bola ny fanjakana amin’ny hanaovana fotodrafitrasa. Raha ity loharanom-baovao ity anefa dia vola natokana ho an’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena izay hanombinana hanaovana fifidianana. Vola be mihitsy ilay izy. Izay sampandraharaham-panjakana manambola izany no hangalana hanaovana fihetsiketsehana politika. Ny mpiasa tao amin’ny Cnaps moa dia velon-taraina mihitsy farany teo fa vola tao no nakana nanaovana ny Kaonferansa nasionaly ireny. Mbola ho avy ihany koa ny an’ny hafa atsy ho atsy. Ho hita eo ny tohin’izany ! 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT