Politique

Fitsapan-kevi-bahoaka Tsy rototra ny any Melaky


  • Alatsinainy 15 Novambra 2010

Nifandimby tonga tany na Ministra na tale amina Ministera na ireo mpikambana amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) na Kongresin’ny tetezamita (CT), manazava ny volavolan-dalàmpanorenana haroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy mitaona ny olona hifidy, fa ny olona mihitsy no tsy miraika, tsy rototra, raha ny zavatra re avy any Melaky any tsy arakaraka ny tati-baovao mandeha amin’ny haino amanjerim-panjakana.

Tsy mahavory olona ireo ira-panjakana ireo, ny sasany aza tsy sahy mamory akory fa matahotra ny hatezeram-bahoaka, indrindra ireo olon’ny Tiako I Madagasikara, nanaiky hotendrena anatin’ny CST sy CT, andrim-panjakana najoron’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Amin’ny any Melaky mantsy dia namadika fitokisana izy ireny, ka tsy izy ireo velively no hilaza ny hanome lesona amin’ny demokrasia, hoy ny loharanom-baovao. Mbola ity farany no manamarika fa tsy hilaozan’izay olona ho avy handatsa-bato raha hisy fitsapan-kevi-bahoaka saingy raha betsaka izy ireo dia iray ampahafolon’izay voasoratra anarana ; mampiahiahy raha mihoatra izay. Ny antonym, hoy ny loharanom-baovao dia ny tsy fandriampahalemana, ny sondrobidim-piainana miharo tsy fahampiana ara-bola, ny fahasorenana amin’ny firongatry ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny sivily sy miaramila no manahirana ny mponina any, ary tsy mamparisika azy ireo hifidy. Etsy andaniny, tsy fantatry ny olona rahateo izay votoatin’izany lalàmpanorenana izany, indrindra fa ity bileta tokana lazaina ity aza tsy fantany ny fampiasana azy.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT