Politique

Fitsapan-kevi-bahoaka Tsy nisy lisi-pifidianana tao Ifasina (Vatomandry)


  • Alarobia 24 Novambra 2010


Tsy tonga ny lisi-pifidianana, tsy afaka nifidy ny olona. Izay no zava-nitranga tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ifasina, distrikan’i Vatomandry. Kaominina lavitra sady mitoka-monina i Ifasina, 100km any ho any miala ny renivohitry ny distrika. Lalana adin’ny roa raha miala ny lalana mankany Tanambao Manampotsy. Araka ny fantatra dia nahazo fiofanana mikasika ny fifidianana ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato, toy izany koa ireo sefo Fokontany fa ny zava-misy dia tsy tonga tany ny lisi-pifidianana. Mazava fa dia very zo ho azy ny olom-pirenena tonga taona ary tokony hifidy tao amin’ity Kaominina Ifasina ity. Santionany amin’ireo lesoka goavana nitranga nandritra iny fitsapan-kevi-bahoaka notontosaina ny alarobia 17 novambra 2010 lasa iny izao. Araka ny loharanom-baovao dia nampanantsoina nanaovana fanadihadiana tao Ilaka Est ireo olona voakasika mivantana tokony hampandeha ny fifidianana tany amin’ity Ifasina ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT