Politique

Fitsapan-kevi-bahoaka Kitoatoa ny fanomanana


  • Zoma 08 Oktobra 2010

Amin’ny maha fikambanana mpanara-maso ny fifidianana azy dia nampahafantatra ny tatitra azony avy amin’ireo solontenany any anivon’ny distrika isanisany momba ny fanomanana ny fitsapan-kevi-bahoaka ny KMF/CNOE.

Momba ilay volavolan-dalàmpanorenana hatolotra ny vahoaka ny 17 novambra dia nambarany fa tsy mbola tafapaka any amin’ny olom-pirenena eny ifotony izany ary saika ny dikany amin’ny fiteny frantsay no tena miparitaka. Toy izay ihany koa ny zava-misy momba ny lalàm-pifidianana. “Tsy mbola miely no sady tsy fantatry ny olom-pirenena ny votoatin’ilay didy hitsivolana laharana 2010/003 ary tsy misy koa ny fampahafantarana ireo fanovana sy fanavaozana miohatra amin’ily lalàna teo aloha” araka ny tatitra ihany. Misarika ny sain’ny tomponandraikitra koa ity fikambanana ity manoloana ny tsy fisian’ny mpanohana ny TSIA izay nambarany fa mahalasa saina tanteraka. Misy madilana hotentenina koa momba ny fizarana andraikitry ny CENI sy ny ministeran’ny atitany. Raha ny fanazavan’ny filohan’ny KMF/CNOE, Atoa Razafindraibe Ernest dia tokony ho fantatra mazava ny tomponadraikitry ny lisi-pifidianana sy ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka mba tsy hisian’ny fifanilihan’andraikitra raha misy olana.

Momba ny lisi-pifidianana izay indrindra dia saika fanitsiana fotsiny no nataon’ny ankamaroan’ny Distrika fa vitsy dia vitsy ihany ireo nanao fanavaozana tanteraka araka ny fanaraha-maso teny ifotony nakarin’ireo mpikambana avy any amin’ny faritra miisa 3000 eo ho eo aty amin’ny foibe. Nanamarika moa ny KMF/CNOE fa anisan’ny fototry ny olana tamin’ireo fifidianana rehetra hatramin’izay ity resaka lisi-pifidianana ity ary nitaky ny fanavaozana azy hatrany izy tao anatin’ny 20 taona izao saingy tsy nohainoana ihany. Miantso izay tomponandraikitra mahefa moa ity fikambanana ity mba hanao ezaka hampahafantatra ny olom-pirenena ireo fahasamihafana amin’ny lalàmpanorenana nisy sy ity volavolan-dalàmpanorenana ity. “Raha fifidianana demokratika no tiana hatao dia tsy azo ihodivirana ireo voalaza ireo ankoatra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana”. Etsy andaniny dia hamoaka peta-drindrina mirakitra ny mahatsara sy maharatsy ny volavolan-dalam-pifidianana ny KMF/CNOE ka haparitaka manerana ny distrika mialoha ny faran’ity volana ity izany.

 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT