Politique

Fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 12 aogositra «Tsy feno fepetra maha demokratika azy”, hoy Razafindrabe Ernest


  • Alarobia 12 Mey 2010


Nitondra ny heviny manoloana ny datim-pifidianana navoakan’ny CENI momba ny fanatontosana ny fitsapan-kevi-bahoaka andaniana ny lalàmpanorenana vaovao ny filohan’ny Kmf/Cnoe, Razafindrabe Ernest. Nambarany fa soso-kevitra ihany no naroson’ny CENI fa ny fitondrana no tompon’ny teny farany. Kely rahateo ny finoany ny hitazonana io datin’ny 12 aogositra 2010 noho ny tsy fahafenoan’ny fepetra. «Telo volana katroka mialoha ny datim-pifidianana no tokony hivoahan’ny didim-panjakana miantso ny vahoaka hifidy. Raha tsy mivoaka anio 12 mey farafahatarany izany io didim-panjakana io dia tsy ho tontosa ny fifidianana. Ankoatra izay dia tsy fantatra mazava izay lalàmpanorenana halototra holanian’ny vahoaka amin’io. Tsy ho feno mihitsy, araka izany, ny fepetra maha demokratika sy  marina izay fifidianana hatao eo raha tazonina io daty io».

Ankoatra izay dia toheriny koa ny fanankinana ny fandrafetana ny volavolan-dalàmpanorenana amin’ny «Comité Constitutionnel». Ho azy dia ny daholobe mandritra ny fikaonandoha nasionaly no miara-misalahy amin’ny fandrafetana izany ary rehefa vita izay vao miditra an-tsehatra ity komity mitondra ny fanatsarana.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT