Politique

Fitsaboana marary Lany amin’ny fitaterana ny 40 %-n’ny vola lanin’ny fianakaviana


  • Zoma 25 Janoary 2013

Aza mba marary ihany ! Izay marary andrianina. Mifanohitra tanteraka ireo fomba fiteny roa ireo ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana.

 Raha andrianina tokoa mantsy ny marary taloha dia ny fisorohana ny aretina tsy hitranga no fepetra azo raisina amin’izao fotoana. Na dia misy aza mantsy ny ezaka ataon’ny fitondrana hanomezana fanafody maimaimpoana ny marary ohatra dia mbola misy hatrany ary betsaka lavitra aza ny vola mivoaka amin’ny fianakavian’izy ireny. Ny 40 %-n’ny vola laniny, araka ny fanazavan’ny profesora Tehindrazanarivelo dia lany amin’ny sarandalana ivezivezena avokoa. Tokony hisy araka izany, hoy ihany ity profesora ity ny famolavolana fandaharan’asa entina hanamaivanana ny fahasahiranam-bahoaka miainga avy amin’ny fotoana ahazoany ilay aretina ka hidirany hôpitaly hatramin’ny fandaniana rehetra hataony.

Nandritra ny fanaovan-tsonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny laboratoara Sanofi no nahafantarana izany omaly entina hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina eto Madagasikara. Io mantsy amin’ny ankapobeny no olana tena goavana indrindra mahakasika ny fahasalamam-bahoaka eto amintsika vokatry ny fikorontanana ara-tsaina sy ny fanintona. Na izany aza anefa olana hafa ihany koa ny tsy fahalalan’ny fiaraha-monina ilay aretina ankoatra ny halafosan’ny fitsaboana azy sy ny tsy fahampian’ny toeram-pitsaboana. Tanjona amin’izao fiaraha-miasa izao araka izany ny hanatsarana ny fandraisana an-tanana ny fahasalamam-bahoaka indrindra fa ireo tratry ny olana sy ny fikorontanan-tsaina ary hanome ainga vao indray ny ady amin’ny fanilikilihana ireo marary saina sy voan’ny fanintona. Hisy ny fanofanana dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony, ny fanabeazana ireo marary sy ny fianakaviany ary ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny fiaraha-monina mikasika ny aretina na ny olana ara-tsaina izay azo tsaboina tsara. Faritra dimy no hahazo tombontsoa amin’izany mandritra ny dimy taona haharetan’ny fiaraha-miasa.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT