Fitotonganan’ny demokrasia

Ny manimba toekarena indrindra no terena ho tiavina


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Lasa toy ny vazivazy zarintenany ankehitriny ny hita ihany hoe lasa tahotry ny mpanara-baovao

manoloana ny filazàn’ny lehiben’ny fampanoavan’ny repoblika na «procureur de la république» fa mampigadra 1 hatramin’ny 5 taona ny filazàna hoe «JIRAMAn-doza» tamin’iny herinandro lasa iny. Zary somongamonga miharo tahotra no ilazàn’ireo mpisera an-tambazotra ny hoe «JIRAMA malala» na «JIRAMA chérie». Misy miteny mihitsy moa hoe «tiako io JIRAMA io an!» nefa efa hita nandritry ny taona maro fa na tamin’ny fotoana mbola tsy mafy lavitra noho izao ankehitriny izao aza ny afitsoky ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny, izany hoe delestazy, sy ny fahatapahan’ny rano no efa nahasorena ireo mpandoa faktiora isam-bolana amin’izany JIRAMA izany ny afitsok’ity orinasa natao hampisitraka amin’ny fotoana ilàna azy rehetra herinaratra sy rano ho an’ny malagasy ity. Efa iaraha-mahalala ihany koa ny olana ateraky ny tsy fahatomombanan’ilay famatsiana herinaratra sy rano, indrindra, eo amin’ny lafiny toekarena fa miteraka fahapotehana fihariana maro. Tsy afa-miasa ny mpanety sy mpanao volo na mpikarakara ny lafiny endrika amam-bika, izany hoe ireo «salon de coiffure» na «salon de beauté et d’esthétique». Ho an’ny misahana lehilahy moa tsorina amin’ny hoe «mpanety». Tapaka toy izany koa ny asan’ireo mpanefy vy, ny asan’ireo misehatra amin’ny aterineto sy solosaina na «cybercafé», ny orinasa madinika mikirakira tekinolojia samihafa aty an-tanàn-dehibe nefa tsy manana fahafahana hampiasa loharanon’angovo hafa toy ny azo avy amin’ny masoandro na solona herinaratra toy ny «groupe électrogène». Ny fampiasana ireny rahateo aza moa tsy voararan’ny lalàna raha ny tena tokony ho izy? Mamofona na mitsonika, izany hoe, simba ireo karazan-tsakafo mila tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Hatramin’ireo fitaovana samihafa ilàna herinaratra toy ny finday sy fahitalavitra koa aza mety hisy fahasimbana na simba tanteraka mihitsy. Izany hoe raha fehezina dia ny sehatra isan’ny manimba toekarena indrindra, satria tokony ho loharanon’angovo, ankehitriny, no terena ho tiavin’ireo loharanom-pamokarana voalohany natao hampiasa azy dia ireo olombelona mpanjifan’izany JIRAMA izany. Efa niaraha-nahita ny fitotonganan’ny filaharan’ny fahalalahana maneho hevitra sy manao gazety navoakan’ny Reporter sans frontières ny taona 2020 sy 2021, izay raha atotaly dia laharana miisa 40 be izao no very. Tamin’ny taon-dasa teo moa dia nisy an’iny mpanao gazety mbola voasakana tsy hiditra tao amin’ny antenimieram-pirenena iny nefa fivoriana natao ho azo hatrehin’ny rehetra na olon-tsotra aza. Karazana mariky ny fitotonganan’ny demokrasia maro no efa nifandimby tao anatin’izay 5 taona izay dia mbola nisy iny resaka hoe «JIRAMA-ndoza» iny koa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT