Politique

Fitondrana tetezamita Tsy ampy vola hoenti-miasa !


  • Alakamisy 19 Aogositra 2010

Manamafy ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola fa afaka mandoa tsara ny trosan’i Madagasikara any ivelany amin’ny alalan’ny vola vahiny eo am-pelatanany ny fanjakana. Ny sampandraharaha miadidy ny trosa ivelany (Service des dettes extérieures) moa no misahana izany asa izany.

Io fandoavana ny trosa io no laharampahamehana isam-bolana izay vao mijery ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny vola fampandehanan-daraharaha ary ny famoaham-bola hafa. Midika izany rehetra izany fa mbola ny vola tahiry voaangon’ny fitondrana teo aloha no ampiasain’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana, satria vitsy mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy, nandritra izao tetezamita izao, ny vola vahiny niditra teto amintsika noho ny asa fandraharahana goavana. Ny tokana tena malaza dia ny tetikasa fitrandrahana vy ao Soalala, izay nambaran’ny FAT fa nahazoan’ny fanjakana vola hatrany amin’ny 100 tapitrisa dolara. Tsy mahatody lavitra anefa io vola io, raha ny famoaham-bola isam-bolana ataon’ny fanjakana no zohina. Izay no tsy maintsy hanaovana ny politikan’ny fitsitsiana amin’izao fotoana ka hampihenana ny fandaniam-bola any amin’ny sehatra rehetra, ka mahatonga ihany koa ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa, noho ny tsy fahampian’ny vola hoenti-miasa. Raha izany koa ny fandehany dia mampiahiahy ihany ny fanambaran’ny filohan’ny FAT ny 13 aogositra lasa teo, izay nanamafy fa vitantsika ny manatanteraka ny fifidianana na misy, na tsy misy ny famatsiam-bola avy any ivelany.

Efa mibaribary anefa fa tsy ampy ny vola eo am-pelatanan’ny fanjakana ary tsy maintsy mila ny fanampiana avy any ivelany isika. Tsy ho azo mihitsy anefa izany raha tsy ny vahaolana maharesy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena no mivoaka, avy amin’ireo karazana fihaonana rehetra misy. Ny takin’ny avy ny ivelany moa dia ny fiaraha-mitantana ny tetezamita, ka ireo Ankolafy Efatra nifanaraka tany Maputo no mpandray anjara fototra amin’izany, afaka manampy azy ireo kosa nefa ireo firehana politika hafa. Raha ny fahitana azy aloha, hatramin’izao dia tsy resy lahatra amin’ilay fifanarahana politika teny Ivato ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mbola miandry ny mety ho fizotry ny fanelanelanana ataon’ny CNOSC. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT